Sosialy

Henan’omby amidy eny Ampasika 7000 ariary ny kilao


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Anisan’ny toerana tena be mpivaro-kena indrindra eny ambonin’ny tetezan’Ampasika raha hihazo an’iny faritra Itaosy iny. Antony nanaovany ny anarany ho Bekoveta mihitsy izany noho ny hamaroan’ireo koveta feno karazan-kena hamidy eny an-toerana.

 Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia omby reraky ny lalana ary maty teny am-pandehanana ny ankamaroan’ireo hena hamidy ireo  raha misy ihany koa ireo ambiny tsy lany avy ao amin’ny abatoara. 7.000 Ar ny iray kilao amin’izy ireny ho an’ny henan’omby raha 12.000 Ar ny eny ambony latabatra. 10.000 Ar kosa ny henan-kisoa izay hita eny an-toerana ihany koa raha 12.000 Ar ny eny ambony latabatra. Fomba hahafantarana ireto karazan-kena hamidy eny amin’ny Bekoveta Ampasika ireto ny lokon’ilay hena izay somary menabe raha oharina amin’ny hena eny ambony latabatra, raha araka ny fantatra hatrany. Misy amin’ireo taovany mihitsy aza araka ny fanadihadiana natao no efa tsy lafo efa andro maromaro saingy hosoran’ireo mpivarotra ra mba haka loko ho toy ny vaovao hatrany. Mety hitera-doza ho an’ny fahasalamana ny fihinanana hena tsy ara-dalàna tahaka izany, hoy ny mpitsabo na dia mora aza izy ireny. Anisan’ireny ny voavary….Ilana fitandremana araka izany ny fifantenana ireo toerana hividianana ny hena mba hitondra soa sy fahasalamana ho an’ny vatana ny fihinanana azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT