Sosialy

Hena tsy lany eny an-tsena Hanaovana saosisy na hamidy mora amin’ny mpaka maro


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Mora fantatra ny hena hamidy eny an-tsena rehefa tsy vaovao. Efa maimaina mantsy no fijery azy no sady mamoaka fofona koa. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarokena iray dia roa andro eo ihany ny hena no azo hamidy raha tsy dia mafana loatra ny andro.

 

 

 Raha vao mihoatra izay mantsy izy ireny dia efa tena ratsy endrika sady mamoaka fofona. Ho an’ireo mpivarokena efa tena matihanina araka ny nambarany  dia havadik’izy ireny totoina hatao saosisy  ny hena raha vao tsy lany indray andro.  Ny tsy hahavery ny fahatokisan’ireo mpanjifa azy no anton’izany no sady tsy hahafaty antoka azy ihany koa. Misy amin’ireo naman’izy ireo no mbola sahy mivarotra mora ny hena tsy lany amin’ireo namany hafa ka hamidiny amin’ireo mpanao hotely mora izany na koa hatokony eny amin’ny sisin-databatra eny amin’ny vidiny 500 Ar dia efa mahazo. Raha 14.000 Ar, ohatra, ny iray kilao amin’ny hena vaovao sy tsara tarehy dia hahenany 10.000 Ar.  Tsiahivina anefa fa mankarary ny hena maimbo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT