Sosialy

Hena tsy lany eny an-tsena Hanaovana saosisy na hamidy mora amin’ny mpaka maro


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Mora fantatra ny hena hamidy eny an-tsena rehefa tsy vaovao. Efa maimaina mantsy no fijery azy no sady mamoaka fofona koa. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivaron-kena iray dia roa andro eo ihany ny hena no azo hamidy raha tsy dia mafana loatra ny andro.

 

 

 Raha vao mihoatra izay mantsy izy ireny dia efa tena ratsy endrika no sady mamoaka fofona hoy izy. Ho an’ireo mpivaro-kena efa tena matihanina araka ny nambarany  dia havadik’izy ireny totoina hatao saosisy  ny hena raha vantany vao tsy lany indray andro.  Ny tsy hahavery ny fahatokisan’ireo mpanjifa azy no anton’izany no sady tsy hahafaty antoka azy ihany koa. Na izany aza anefa hoy ity mpivaro-kena ity dia misy amin’ireo naman’izy ireo no mbola sahy mivarotra mora ireny hena tsy lany ireny amin’ireo namany hafa ka hamidiny amin’ireo mpanao hôtely mora izany na koa hatokony eny amin’ny sisin-databatra eny amin’ny vidiny 500 Ar dia efa mahazo. Raha 14.000 Ar ohatra ny iray kilao amin’ny hena vaovao sy tsara tarehy dia hahenany 10.000 Ar izany.  Tsiahivina anefa fa mankarary ny hena maimbo no  sady mahatofoka ihany koa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIARAHA-MIASA
  • Zoma 27 Novambra 2026

AMIN'I DJIBOUTI

  • Fampiharana
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

ny lalàna mifehy ny fifaninanana

  • Fiaraha-miasan’ny
  • Alarobia 25 Novambra 2026

METFP sy ny Maraokanina

  • FAHADIOVANA
  • Talata 24 Novambra 2026

SY FIDIOVANA

  • Tantsoroka
  • Talata 24 Novambra 2026

sosialy sy toekarenan’ny

  • Tantsaha
  • Talata 24 Novambra 2026

mpamokatra ovy

Hijery ny tohiny
FTT