Sosialy

Hazandrano ao amin’ny farihin’Alaotra Mandeha ny aferan’ny mpiasan’ny jono sy ny polisy…


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Mihidy tsy azo hakana hazandrano ny farihin’Alaotra amin’izao fotoana izao, ary afaka herinandro eo vao hisokatra.

 

 

Lasa bizina fitadiavam-bola ho an’ny polisy sy ny sampandraharahan’ny jono anefa ny fikatonan’ny ranon’Alaotra, hoy ny fitarainan’ny mponina any amin’ny faritra Ampitandrefana, Ambohitrarivo iny. Izy ireo mihitsy no toa mampirisika an-kolaka ny olona maka hazandrano hatao fitadiavam-bola, hoy ny fitarainana. Tena misy ny firaisana tsikombakomba, hany ka tsy voahaja ny lalàna ary lasa atao fitaovana hanaovana bizina ny fahefana sy ny andraikitra ara-panjakana. Manaitra ny tompon’andraikitra avy aty ambony mba hijery ifotony zava-misy noho izany ireo olona manao ny fitarainana satria ny tokony ho fitaratra amin’ny fanajana ny lalàna indray no manao ny tsy fanao. Efa tao anatin’ny fotoana naharitra roa volana teo no nisian’izany. Ny 23 desambra izao no hisokatra ny ranon’Alaotra ary amin’izay vao tokony ho azo atao ny maka hazandrano ao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT