Sosialy

Hatsiaka miampy hanohanana Iray isan’andro ny olona maty raofin’ny BMH eny an-dalana


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka isika ankehitriny. Efa tena re mamirifiry sahady izany na dia vao miandoha aza, antony mahatonga ireo olona mpatory an-dalana sy tsy manan-kialofana maromaro hamoy ny ainy rehefa vanim-potoana tahaka izao.

Ho an’ny BMH etsy Isotry manokana izay tompon’andraikitra amin’ny fakana ireny razana ireny dia mahatratra iray isan’andro ireo olona mamoy ny ainy eto an-drenivohitra raofin’izy ireny eny amoron-dalana. Misy ireo efa mikarainkona tanteraka mihitsy  vokatry ny hatsiaka sy ny hanonana nianjady taminy raha mbola tsy misy mpaka ihany koa ny nofo mangatsiakan’ny sasany rehefa tonga ao amin’ny tranom-paty….Izany no fahasahiranan-dRamalagasy nefa tsy mbola misy ihany hatreto ny fandraisana andraikitra hataon’ny Fitondram-panjakana. Ny vanim-potoanan’ny ririnina anefa misy hatrany isan-taona saingy ireo efa matevina sy milamina ihany no mbola tohanany. Na izany aza anefa hoy dokotera Fidy  Bariniaina dia misy ihany ny vahaolana kely azo hisorohana ny fahafatesana ateraky ny hatsiaka sy ny hanonana diso tafahoatra ho an’ireo misakafo ambany foitra.  Anisan’izany ohatra ny tsy fanaovana vizaka be loatra. Miezaka ny matory tsara ihany koa amin’ny alina raha azo hatao. Rehefa tena kely ny vola eo am-pelatanana hoy hatrany dokotera Fidy dia ny voankazo sy ny legioma no tsara hatao betsaka raha mba mihinan-kena kely ihany koa rehefa misy ny azo hatao.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT