Sosialy

Hasarotam-piaro Nodoran’ny vadiny tamin’ny lasantsy ilay vehivavy


  • Alakamisy 10 Janoary 2019

Nisehoana trangan-javatra mampalahelo tany amin’ny kaominina Tsaratanana, distrikan’i Faratsiho ny talata alina lasa teo.

 

 

 

 Renim-pianakaviana iray manodidina ny 41 taona  no norarahan’ny vadiny tamin’ny lasantsy ary nodorany avy eo  rehefa nihanafana ny  fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Raha araka ny vaovao voaray dia resaka hasarotam-piaro no niteraka ny ady  ka ilay ramatoa efa nihiaka namaivain’ny firehetana no novonjen’ny fokonolona. May  avokoa ny tapany ambony amin’ny vatany. Nanomboka teo amin’ny foitrany ka hatrany amin’ny tavany, antony tsy ahitana tsara ny endriny intsony. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly moa ity  renim-pianakaviana iray ity. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay rangahy. Fantatra fa tsy misy ahiana ny ainy.  Manan-janaka efatra mianadahy izy mivady ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT