Sosialy

Hary Naivo Rasamoelina “Handihy ambony tsikoko hijery girlandy ve ?”


  • Talata 29 Desambra 2020

Nampita hafatra manokana ho an’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ao anatin’izao

 

 

mbola fiatrehana ny fetin’ny noely sy taom-baovao izao ny filohan’ny antoko politika DHD, Hary Naivo Rasamoelina. Heverina fa ampy, hoy izy, izay fifandirana sy fifanipazana andraikitra izay. Ny mbola iaraha-miaina dia ny fako maro miparitaka eran’ny tanàna. Na inona na inona lazaina dia tompon’andraikitra voalohany ianao. Ho avy ankisesy ny andro ratsy. Ny vahoakan’Antananarivo tsy mahalala afa-tsy ianao. Ianao no ho tondroiny ho tomponandraikitra. Teny zato, kabary arivo, iray ihany no marina dia izay hoe feno fako ny tanana. Handihy ambony tsikoko hijery girlandy ve? Loza mihantona izany, hoy hatrany ny tenany. Tsikaritra ho tanteraka ety ivelany ihany koa ankehitriny ny maloto avy amin’ireo toeram-pivoahana mandehandeha sasany napetraky ny kaominin’Antananarivo renivohitra vao haingana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT