Sosialy

Harivola Raharinosy “Mionona anaty tsy fanjariana isika”


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Misy fitenenin'ny Ntaolo izay hoe "Tsy mahalala menatra ka mitafy lamba imason'ny tompony", hoy ny mpandraharaha mpandala ny maha malagasy, Harivola Raharinosy.

Isika ankehitriny dia tsy mindrana fa manao ny narian'ny hafa izay mbola vidiana koa, hoy izy. Hatramin'ny anatin’akanjo hita eny amin’ny fripy. Firy isan-jaton'ny gasy izao no mahavidy akanjo eny amin’ny botika? Mandamina saina sisa hoe sasana madio io sy pasohana dia miverina toy ny vaovao. Mionona anaty tsy fanjariana isika. Toy ny efa vita vakisiny! Isika moa nilokaloka hamboly hasy. Dia aiza izany izao? Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza. Tamin’ izy niteny ireny ve efa mba nanao “business plan” na nanao “etude stratégique”, izany hoe drafitr’asa sy nijery ny ambaratongam-pilana na “chaîne de valeur” tsara? Dia mbola onena anao aho ry fireneko. "Omeo lamba soga aho tafiako fa ny zandina tsy mifanaraka amiko." Tsy haiko iza no niteny an'io fa tonga ato an-tsaiko fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT