Sosialy

Harena voajanahary malagasy miha ringana « Mila mandray fepetra ny fitondrana ! »


  • Talata 30 Jolay 2019

Efa be dia be ny harena voajanahary Malagasy ringana, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny tontolo iainana eto amintsika na WWF, Tiana Ramahaleo.

 

 Mbola mitohy mandrak’ankehitriny io ary haingam-pandeha. Mila mandray fepetra hentitra manoloana izany ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny fanazavany, ary tokony hisy fifanarahana iraisampirenena hotanterahantsika mihitsy mikasika ny fifandraisan’ny olombelona sy ny natiora. Handray ny fihaonambe iraisampirenena momba izany na ny ATBC moa i Madagasikara manomboka ny 31 jolay izao (TTF: Rahampitso), ka heveriko, hoy izy, fa fotoana fanararaotra io hetsika isan’ny goavana indrindra handraisantsika firenena miisa 50 eny Ivato io mba hitadiavana fifanarahana azo atao hanavotana ny voary eto Madagasikara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT