Sosialy

Hani-masaka eny an-dalambe Tena mandeha be ny tsena amin’izao


  • Zoma 04 Mey 2018

Nahazo aina mihitsy ireo mpivarotra hani-masaka teny Analakely hatramin’ny niantombohan’ny tolona no mankaty.

 

Tena mandeha be mantsy ny tsenan’izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao, indrindra fa ho an’ireo mandeha tongotra mitondra vary sy laoka mandehandeha. Toraka izany koa ireo mpivarotra kafé, mofo sesika ary composé. Ho an-dRazaninina, mpivarotra vary mandehandeha ohatra dia lasa roa sobika isan’andro ny vary lanin’izy ireo  amin’izao raha iray sobika isan’andro ihany teo aloha. 1.000 Ar no hamarotany ny vary iray lovia amin’izany raha karazan-daoka telo no hisafidianan’ireo mpividy. Nomarihiny manokana moa fa ny aina hivarotana indray no tsy maharaka, indrindra rehefa madio ny sakafo sy ny fitaovana hampiasaina. Na izany aza anefa ny fandehan’ny tsenan’ireo mpivarotra hani-masaka eny Analakely dia tsiahivina fa tsy ara-dalana avokoa ny ankamaroan’izy ireny satria tsy mandoa hetra. Ho an’ireo mpivarotra composé sy kafe ary mofo sesika indray moa dia tsy misy miverina intsony ny entana hamidin’izy ireo raha nisy ambiny hatrany teo aloha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT