Sosialy

Handray fepetra ny fanjakana Tsy azo amidy eny an-dalambe ireo « Masques chirurgicaux »


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Handray fepetra hentitra eo anatrehan’ny fivarotana mandehandeha sy eny an-

 

 

dalambe ireo arotava fampiasa any amin’ny hopitaly sy toeram-pitsaboana na « Masques chirurgicaux et respiratoires » eto Antananarivo ny governemanta. Tsy ireo arovava tsotra vita amin’ny lamba, izay namboarin’ny olon-tsotra ihany no hita eny an-tsena fa eo ihany koa ireo fampiasa any amin’ny ivon-toerana ara-pahasalamana. Nambara fa voarara ny fivarotana azy ireny eny an-dalambe. Tsikaritra ho miha mitombaka anefa ny famarotana azy ireny mandehandeha izay misy ny amin’ny boaty, ary misy ny mandeha tsifolofolo eo. Nahazo toromarika avy tamin’ny governemanta noho izany ny avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana amin’ny handraisana ny fepetra eo anatrehan’ny mbola finiavana hivarotra ny « masques chirurgicaux » sy ny « masques FFP2, FFP3 », izay hohenjehina manomboka izao, araka ny tapaka tao anatin’ny fivorian’ny governemanta tany Antsirabe ny sabotsy 19 sy omaly alahady 20 desambra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT