Sosialy

Hamerina ny fanompoam-pirenena i Dada Hovatsiana tany sy vola 20 tapitrisa ny tanora avy eo


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Paikady lehibe novolavolain’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany ny famoronana ny “service national”, araka ny famelabelarana nataon’ny mpandrindra ankapobeny ny fampielezan-kevitry ny kandida faha-25 ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 Hizara roa, dia ny “service légale d’utilité public” natao ho an’ireo izay nahavita ny kilasy faha-3 hatramin’ny kilasy famaranana. Herintaona izy io ary ho an’ny tanora latsaky ny 32 taona ihany. Hifanome tanana amin’ny fokontany sy ny vahoaka amin’ny famokarana izy ireo. Afaka manohy herintaona ary misy tany mety ho azony ary mety hahazo fampitaovana amin’ny fambolena na fiompiana, izany hoe tantsoroka hahafahany mihary. Ho an’ny manana bakalorea miakatra kosa dia ny “service national d’appui au développement ». Raha hiditra amin’ny fifaninanam-panjakana dia tsy azo raisina raha tsy nahavita azy io. Herintaona ny tsy maintsy hatao fa raha manampy herintaona amboniny ka rehefa hiditra amin’ny fifaninanana ara-panjakana dia raha 100 ny isa henjehina dia 25 tonga dia « bonus », izany hoe naoty efa mipetrapetraka. Raha hiditra aty amin’ny famokarana na « création de richesse » dia afaka mindram-bola 20 millions d’ariary, misy zanany alaina 3,5% fa hisy ny fanamorana, izany hoe ambany dia ambany. Tsy hampindram-bola ambanin’ny 22% ny banky ary 35% ny “micro finance” na ireny fampindramam-bola madinika, raha eto amintsika amin’ny ankapobeny. Afaka mandrafitra tetikasa ary hahazo tantsoroka sy torolanana amin’izany ireo tanora. Tsy maintsy vahana ny olan’ny tanora. Tsy maintsy manome ho an’ny firenena aloha vao mahazo takalony. Tsy tokony hanonofy fa tokony ho efa ao anatin’ny famokarana, hoy i Serge Zafimahova.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT