Sosialy

Hamehana ara-pahasalamana Naangona vola 452.050 tapitrisa Ar ny Bngrc


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Betsaka ireo olona tonga manolotra izay foiny hanampiana ny mpiara-belona marefo na marary eto amin’ny firenena amin’izao fotoana hiparitahan’ny tsimok’aretina coronavirus eto amintsika izao.

 

 

 

Ho an’ny birao misahana ny fiatrehana ny loza voajanahary na BNGRC dia efa mahatratra 452.050 tapitrisa Ar ny vola voaangony nanomboka ny 23 martsa lasa teo ka hatramin’ny omaly. Taratasim-bola avokoa ireto farany ka misy avy amina olon-tsotra tsara sitra-po, misy avy amina orinasa, misy avy amina fikambanana…. izay mirotsaka avy hatrany any amin’ny tahirim-bolam-panjakana. Ankoatra ny vola dia misy ihany koa ireo karazana entana sy kojakoja maro samihafa tonga eo am-pelatanan’ny Bngrc izay hozaraina amin’ireo marefo sy sahirana. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa ezahina hatao mangaraharaha izany mba tena hipaka any amin’ireo olona sahirana na marary tokoa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT