Sosialy

Halatra taolam-paty Fisolokiana avo lenta ?


  • Alarobia 17 Aprily 2019

Raha ny fanadihadiana azon’ny zandary hatramin’izay nahitana resaka halatra taolam-paty, mijanona ho fisolokiana avo lenta hatrany izany. «Ireo izay tratra dia tsy mahita ny mpandray ny taolam-paty izay heveriny ho entam-barotra. Ny atidoha mikotrika nampaniraka olon-kafa milaza fa misy mitady. Ilay voairaka mamoaka vola hividianana izany kinanjo tsy hita ilay tompon’ny ketrika fa efa azon’ilay nahitana ny taolam-paty ny vola ary ity farany dia mpiray tsikombakomba amin’ilay tena mpaniraka. Matetika ireo mpanera sy ireo mpanelanelana izay efa namoaka vola nefa tsy nahita mpividy no tra-tehaka, sady efa nividy lany vola no itobian’ny entam-barotra tsy ahitana mpandray ary voasambotr’ireo mpitandro filaminana. Dia ireny miahaka fotsiny ireny ny entana fa matahotra ny hosamborina ireo nividy tsy nahita mpividy”.

 

Io no fanambaran’ny zandary miandraikitra ny vaovao sy ny seraseran’ny zandariamariam-pirenena, ny Komanda Herilalatiana Andrianarisaona. Tsy ela izay dia nahitana vaky fasana roa tao Morarano, Talatavolonondry ka razana 231 no tsy hita popoka tamin’izany. Araka ny angom-baovaon’ny zandary tany an-toerana, efa ela no nisy nandroba ireo fasana ireo.

MANOHINTOHINA NY FILAMINAM-BAHOAKA

Samborina noho ny fandikan-dalàna ireo mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty. Ankoatra izay, anisan’ny hanenjehana ireo mpanao trafikana taolam-paty ny fanohintohinana ny fitsipi-pitondrantena sy ny moraly. Heverina ho manimbazimba ny maty sy ny zon’ireo efa nodimandry ny vaky fasana. Voantohintohina ihany koa ny fisainana sy ny filaminam-bahoaka. «Misy lalàna mahakasika azy manokana matoa henjehina fa tsy samborina fahatany ny olona iray tahaka ireo mpamaky fasana. Manaraka ny zotran’ny fanadihadiana sy ny fitsarana ary ny sazy mifanandrify amin’izany ireo tratra namaky fasana sy mikirakira taolam-paty», hoy ny mpiandraikitra ny serasera sy ny vaovaon’ny polisim-pirenena, ny Kaomisera Haja Andriamanalina. Mbola mipetraka ho baraingo hatreto ny resabe mandeha fa aondrana any ivelan’i Madagasikara ny taolam-paty na entina hanondranana entana izay «tsy hitan’ny fitarafana na «scanner». Raha ny tolom-bahoaka 1991 io asa ratsy io no nipoitra tany amin’ny faritra Alaotra izay lazaina fa be kalsiôma ny taolan’ny sihanaka noho izy ireo voky trondro. Nitatra manerana ny Nosy anefa izany.

Haja Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT