Sosialy

Halatra lakroam-pasana 3 mianadahy voasambotra


  • Talata 24 Desambra 2019

Nanjavona tsikelikely ireo lakroam-pasana vita amin’ny vy, na misy vy tamin’ireo fasana eny amin’ny "croisement Boanamary » ao Mahajanga, efa fotoana maromaro izao.

 

 

Niezaka nanara-maso izany  ny fokonolona sy ireo tompom-pasana ka voasambotr’izy ireo  tao  Amparemahitsy ny Alakamisy  19 desambra  teo ny telo tamin’izy ireo. Lehilahy ny iray , izay voatondro ho  nangalatra raha vehivavy kosa ny  ny roa ambiny izay voatondro  fa mpividy halatra. Omaly folakandro moa izy telo mianadahy ireto no nentina nohenoina teny anivon’ny fampanoavana taorian’ny nandraisan’ny zandary ny raharaha. Tsiahivina fa ankoatra ny lakroam-pasana dia betsaka ireo kojakoja vita amin’ny vy misy mangalatra amin’izao toy ny arofanina amin’ny tetezana…. noho ny halafosan’ny vy.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT