Sosialy

Halatra ireo fanampiana teny Andoharanofotsy Tompon’andraikitry ny BNGRC no atidoha ?


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Tamin’ny herinandro lasa iny no nahatrarana ireo entana fanampiana an-taoniny vitsivitsy tokony hozaraina, saingy nisy nanodinkodina, ka hita teny Andoharanofotsy.

 

 

 

Ny marina dia ny BNGRC na ny Birao misahana ny loza sy ny tandindonin-doza no tompon’andraikitra tamin’iny, hoy ny loharanom-baovao iray. Ilay miaramila “magasinier” tao rehefa natao ny famotorana tao amin’ny zandarimaria Andoharanofotsy dia nivaky fa ilay Madama lehibeny no nanome baiko azy fa avoaka ireo ary handoavana karaman’ny boaikely hono ny anton’izao fanodinana izao, hoy hatrany ny vaovao azo. Ny fanampiana tokony omena ny vahoaka izao kanefa aiza ireo tompon’andraikitra ao amin’ny BNGRC no tsy miteny sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’izany. Ireo olona nividy halatra no hibaby sy hizaka ny tsy eran’ny aina kanefa raha tsy nisy ny nivarotra halatra taminy tsy tonga tany aminy ireto entana. Hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola miandry ny marina ny vahoaka sahirana momba ny fanampiana nambara fa hositrahany. Ny Filoham-pirenena no efa nilaza fa tsy ekena ny fanodinkodinana ny fanampiana, ary tsy te handre fa tsy araka ny tokony ho izy no tonga eny amin’ny vahoaka. Nanambara ihany koa fa tena tsy hitsitsy amin’izany fanodinkodinana izany ary efa nohamafisin’ny Bianco io. Porofo mivaingana sy miharihary anefa, fa nisy ny halatra sy ny fanodinkodinana teny Andoharanofotsy, ka tsy olon-tsotra no afaka hanao izany fa olona manana andraikitra ary mety ho akaiky ny fitondrana ihany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT