Tafiditra tanteraka anatin’ny fanarenana ny orinasa JIRAMA ny fanjakana amin’izao.
Anisan’ny teikasa amin’izany ny ady atao amin’ny halatra herinaratra sy rano. Hohamafisina bebe kokoa ny fanaovana fitsirihana amin’ny alàlan’ny paikady mirindra sy ny fampiasana ny teknolojia vaovao toy ny fijerena ireo toerana amin’ny alalan’ny zana-bolana sy ny fampiasana rindram-baiko manondro toerana (géolocalisation). Efa maro ireo tra-tehaka tamin’izany na olon-tsotra na orinasa madinika sy salantsalany, eny hatramin’ny orinasa vaventy raha tsy hitanisa afa tsy ireto ohatra vitsivitsy ireto : Hôtel lehibe iray ao Nosy-Be Hellville (1miliara Ar), Hotel iray etsy Antaninandro (35tapitrisa Ar), Hotel iray hafa etsy Ambondrona (54tapitrisa Ar), orinasan-tserasera etsy Tanjombato (400tapitrisa Ar). Tsy ivelan’ny orinasa ihany ny hetsika hatao fa ny ato anatiny ihany koa. Efa maro ireo mpiasan’ny JIRAMA tratra, toy izay nitranga farany teo tany Ambositra ka nandroahana mpiasa miisa dimy ary roa hafa hafa miandry fitsarana. Misy ihany koa tranga maromaro firaisana tsikombakomba amin’ny tsy fandoavana faktiora eo amin’ny mpanjifa mpanofa trano sy mpiasan’ny JIRAMA izay miteraka olana ho an’ireo tompon-trano. Raha tsiahivina, miisa 773 ny trangana tsy fanarahan-dalana tratra tamin’ny 2019, toy ny hosoka amin’ny kaontera, fisintonana tsy mandalo kaontera, fanorenana tsy ara-dalàna misintona herinaratra na rano avy amin’ny tokantrano hafa… Miteraka fatiantoka goavana ho an’ny JIRAMA ny halatra jiro sy rano. Tsy handefitra na amin’iza na amin’iza manao izay asa mambotry ny orinasa ny mpitantana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.