Sosialy

Halatra gazoala an’ny JIRAMA Olona efatra indray no tratra tany Nosy Be


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

« Jerrican» mavo miisa 13 feno gazoala indray no tratra tao amin'ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama Nosy-Be Hell-ville ny alin'ny 01 novambra teo.


Mpiasan’ny Jirama mpikirakira ity tobim-pamokarana herinaratra ity no nahatsikaritra mpiambina iray avy amin’ny orinasa EMFPRO, nivimbina « jerrican » mavo feno gazoala, tokony ho tamin’ny 9 ora alina.Nampandre ny mpitantana ny Jirama any an-toerana ity mpiara-miasa ity ka napetraka ny velam-pandrika niaraka tamin’ny zandarimaria hahatrarana ireo tontakely. Tamin’ny roa ora maraina vao raikitra ny fifanenjehana ka tafatsoaka ny mpiambina iray avy amin’ny orinasa EMFPRO, izay misahana ny fiambenana.
Olona efatra kosa no notanana any amin’ny zandarimaria amin'izao fotoana izao ka mpiasan’ny Jirama ny iray, mpiasan’ny orinasa Henri Fraise ny iray, mpiambina avy amin’ny EMFPRO ny iray ary mpiambina karamain'ny Jirama ny iray. Olona telo hafa ihany koa no ahiana ho niray antoka tamin'izao halatra gazoala tao amin'nyJirama Nosy-Be izao ka hametrahan'ny mpitantana any an-toerana fitoriana.

 

Pati

 

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT