Sosialy

Hala-jaza mateti-pitranga Mifono zava-miafina…


  • Zoma 14 Jona 2019

Zaza dimy na enina isan’andro no manjavona amin’ny filazana « ombay mitady » amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, raha ny tatitra hita, araka ny loharanom-baovao iray (dépeche orange Madagascar) omaly.

 

 

 

Hampita vaovao ofisialy mikasika izany ny polisim-pirenena anio raha vita ny fanadihadiana lalina. Miandry fanambarana miezinezina avy amin’ny zandarimariam-pirenena koa izay mbola anatin’ny fanadihadiana lalina sy famotorana momba ny resaka mandeha amin’ny trafikana taova sy io hala-jaza io ary ny resaka hafa toa mifono mistery ny mpanara-baovao. Tanjona, hoy ireo mpiandraikitra ny fandriampahalemana sy filaminana ny hanomezana vaovao feno ho an’ny olom-pirenena. « Hanangona ny vaovao avy amin’ireo rantsamangaika izahay tompon’andraikitra, indrindra ireo ato amin’ny faritra Analamanga dia hampitaina aminareo amin’ny fotoana mahamety azy », hoy ny tompon’andraikitry ny fampitam-baovao sy seraseran’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Ratsimandrava. Mitovy tsy misy valaka amin’izay ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena eo Anosy raha nanontanian’ny mpanao gazetinay. « Efa eo am-panangonana ny vaovao mahakasika io izahay eto anivon’ny polisim-pirenena. Hododosana ireo tompon’andraikitra fa ampintaina eo raha vao feno ny vaovao », hoy ny mpiandraikitra ny seraseran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka eo amin’ny birao fiasany eo Anosy. Anisan’ny fepetra andrasana amin’ny mpitandro filaminana ny fanaraha-maso ny sekoly.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT