Sosialy

Hala-jaza anaty Taksibe Nisy naka teo am-pofoan-dreniny ilay zaza


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Zazavavy kely iray vao enim-bolana monja no nalain’olon-tsy fantatra tao anaty taksibe ao amin’ny zotra 186 teo am-pofoan-dreniny raha ny vaovao azo ny zoma hariva lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany tany ho any.

 

 

 Handeha hamonjy fodiana eny Manjaka Ilafy izy mianaka ireto saingy noho ny fahateren’ny taksibe ao amin’ny zotra 126 dia voatery nandeha tamin’io zotra voalaza etsy ambony io, kinanjo loza no nitranga. Araka ny fitantaran’ny fianakavian’ity renim-pianakaviana very zanaka ity dia vehivavy no niara-nipetraka tamin’izy mianaka. Nilaza ity farany fa mahafatifaty azy tokoa ilay zaza ka minitra vitsy taorian’izay dia tsy nahatsiaro tena intsony ilay reniny. Nalainy mora foana ilay zaza izay tsy nisy nahatsikaritra ihany koa, hany ka tsy hita koa izay toerana nialany. Ilay renim-pianakaviana tompon-janaka kosa taorian’izay efa tonga teny amin’ny faran’ity taksibe ity eny Analamahitsy vao notairin’ilay resevera satria renoky ny torimaso tanteraka. Verivery saina izy nandritra izany ka olona sendra nangoraka azy no niantso an-telefaonina ireo fianakaviany ary nanatitra azy tany an-tokantranony. Ny sabotsy hariva teo, efa nanomboka niverina ny sainy ka nahatsiarovany ireo tranga rehetra niainany ireo sy ny nahavery ilay menaky ny ainy. Tsy mbola hita ilay zazavavy kely hatramin’ny fotoana nanoratanay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT