Sosialy

Haisoratra Voarafitra anaty boky ny zava-bitan’ny Barea


  • Zoma 08 Novambra 2019

Voarafitra anaty boky 22 pejy ihany ny tantaran’ny ekipam-pirenena ny Barean’i Madagasikara. Ramatoa Verenako Miriam, mpikambana ao amin’ny akademia no nanoratra azy,

 

 

 

 

 amin’ny endrika angano azon’ny ankizy mihoatra ny 10 taona rehetra vakiana. Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny fisian’ny boky tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Barea no anarana nampitondraina izany noho ny fahatsapan’ity renim-pianakaviana iray ity fa manan-danja ho an’ny tantaram-pirenena loatra ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena  Barea. Na dia teo aza ny aingam-panahy sy ny fikirizana tao anatiny te-hamoaka izany tamin’ny mpiarabelona dia nanana olana ara-bola izy. Maro ireo olona efa natoniny mba hanampy azy saingy tsy nisy nanome avokoa. Ny vondrona Filatex irery ihany izay efa mpanao asa soa no nanampy azy tamin’ny fanatontosana ny boky. Ankoatra ireo karazana angano voarakitra ao anatin’ity boky ity dia anisan’ny hasongadin’ny mpanoratra ihany koa ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny maha zava-dehibe ny fananantsika ny omby mba ho fantatry ny taranaka faramandimby.  5.000 Ar no vidin’ny boky.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT