Sosialy

Haintrano goavana tany Tamponala Nitondra fanampiana ny Orange Solidarité Madagascar


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana lasibatry ny haintrano goavana tany amin’ny Kaominina Ambanivohitr’I Tamponala ny Orange Solidarité Madagascar ho fanehoana fa orinasa tsy manadino,

 ary mitondra ny anjara biriky sy fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-piarahamonina ary indrindra amin’ny lafiny maha olona ny orinasa Orange Madagascar. Ny 12 oktobra 2021 lasa teo mantsy, dia hotohoton’ny afo ny trano 96 tafo teo tao amin’ny tanànan’i Mahamasina Fokontany Ambohipihaonana, ao anatin’ny kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana Itasy. Mahatratra 400 teo ho eo ireo olona traboina, tena tanam-polo sisa. Noho izany, nidina ifotony tany an-toerana ny Orange Solidarité notarihin’ny filohany Atoa Benja Arson ny alatsinainy 01 novambra teo, nihazo an’i Miarinarivo, Renivohitry ny Faritra Itasy, nanolotra fanomezana ho fanampiana halefa any amin’ireo mponina. Vary milanja 3 taonina, voamaina 1 taonina, lovia 400, sotro 400, kaopy 400. Nandray izany ny Governoran’Itasy Jeneraly Solofonirina Maherizo Andriamanana, ny Talem-paritry ny mponina any Itasy Lalanirina Raherison ary ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Tamponala Rtoa Voahanginiaina Chantal.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT