Sosialy

Haintany sy Kere any Atsimo Manomboka maro indray ny mpitsoa-ponenana


  • Talata 03 Aogositra 2021

Manomboka misy indray amin’izao fotoana izao ny olona avy any amin’ny Faritra Atsimo mitsoaka any sy mitady toeran-kafa hierena sy hivelomana.


Manodidina ny 40 no manao andiany, toy ireo omaly izay naneho, fa hiazo an’Ambondromamy hitady toerana ahafahana mamboly sy mivelona satria tena tsy misy azo atao any Atsimo. Tao ny efa hatrany amin’ny 8 volana no voalaza fa nanomana saran-dàlana, kanefa ireo zaza efa afaka miasa ihany aza no nentina, fa ny madinika najanona any Atsimo. Raha ny tatitra, ny 5,63% tamin’ny faritra tratry ny haintany any Atsimo no efa tao anatin’ny sokajy farantampony amin’ny fahavoazana na “urgence” ho an’ny volana jona lasa teo. 44,45% kosa no tao anatin’ny sokajy atahorana na “Alarme” ary 44,59% ny ambiny izay tsy azo hamaivanina ihany koa, raha ny tatitra momba ny haintany “bulletin d'alerte sécheresse du Grand Sud de Madagascar – 2021”. Isan’ny tena voakasika ny distrikan’Amboasary, Ambovombe, Beloha, Bekily, Ampanihy, Betioky,… Somary nihena kely ny faritra tena lasibatry ny haintany farantampony mitaha ny 2020, saingy mbola tena mampanahy hatrany ny zava-misy. Ho an’ny volana jona aza, dia saika ny antsasaky ny faritra atsimo no niharan’ny haintany sokajy “alarme”. Nisy ny atrikasa nataon’ny Fitondrana notarihin’ny Filoha tany Atsimo ny Volana jona, nilazana fa hisy velirano 13 hatao, ka tokony hafainganina mba tsy ho resaka ambony latabatra sy fampanantenana lava toy ny mahazatra. Nokianina hatrany rahateo ny paikady nisy tany aloha toy ny fanampiana iraisam-pirenena, ka miandry sy miandrandra ilay “solution n°13” izany ny olom-pirenena amin’izao.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT