Sosialy

Haingosoa Hortensia Antoinesie “Efa 20.000 ariary izao ny saribao iray gony”


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Ho ampitomboina avo roa heny ny fandrakofana ala an’I Madagasikara, hoy ny minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy,

 Haingosoa Hortensia Antoinesie, nandritry ny lanonana fampandraisana fahefana azy tetsy Ambatobe omaly. Manana stratejia vaovao ankoatran’ny efa hananan’ny MEDD ankehitriny izahay hanampiana tosika izany, hoy izy. Iarahana amin’ireo tekinisianina momba ny ala izany. Manenika an’i Madagasikara iray manontolo ny fandrakofana ala an’i Madagasikara fa izay efa nisy ala teo aloha no haverina ho rakotra ala ihany koa. Raha ny mikasika ny Menabe Atimena manokana dia iarahantsika mahalala ny odidina na “contexte” fa somary henjakenjana saingy hitondranay vahaolana izany ary hifanome tanana izahay sy ny minisitra. Mikasika ny resaka saribao, araka ny efa nazavaina, dia misy fifandrindrana tokony tadiavina ary efa eto angamba ny tekinisianina momba ny ala efa mandray fepetra momba izay. Efa midina lasa 20.000 ariary izao ny iray gony fa tsy 50.000 ariary intsony, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT