Sosialy

Hain-trano Vehivavy roa maty teny Ankadivato


  • Zoma 31 Mey 2019

Nisy firehetana trano lehibe teny Ankadivato ny alarobia teo, ary tena goavana ny fahavoazana na tonga namono ny afo aza ny mpamonjy voina.

 

 

 

 Vehivavy no namoy ny ainy nandritra ny loza. Nalefa teny amin’ny tranompatin’ny Hopitaly HJRA ny razana taorian’ny loza. Tonga haka azy ireo ny havany omaly, saingy tsy navoakan’ny tao ny razana fa miandry “Médécin légiste”, hoy ny vaovao niely. Nantsoina ilay Médécin légiste dia nandray fa vao resaka asa dia vonoiny ny finday fa andro tsy fiasana, hono, hoy hatrany ny fitarainana niely. Tsy misy afaka manolo azy na mpiandry raharaha mihitsy ve ao amin’ilay sampandraharaha fa ny mpiambina tsy afaka manapa-kevitra ihany ? Mety manana ny rariny ny tao amin’ilay sampandraharaha saingy mila fandraisan’andraikitra sy fandaminan’asa ny zavatra tahaka izany mba ho fitsinjovana ireo manan-draharaha satria volam-bahoaka no hanakaramana ireo mpiasam-panjakana amin’itony sehatra itony.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT