Sosialy

Hain-trano tetsy Antohomadinika atsimo Nanampy ireo traboina ny fanjakana


  • Zoma 28 Desambra 2018

Tafakatra 500 isa mahery hatramin’ny omaly maraina ireo traboina tsy manan-kialofana etsy amin’ny Fokontany Antohomadinika Atsimo, sektera fahadimy. Raha tsiahivina kely dia afaka omaly tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany folakandro no nitrangan’ny loza.

 

 

 

 Trano hazo iray no niandohan’ny afo ary namely ireo trano  192 manodidina azy avokoa ka ny 122  isa tamin’ireo dia trano biriky avokoa. Ankizikely no tao amin’io trano nipoiran’ny afo io raha araka ny fantatra raha saika tsy nisy olona avokoa teo amin’ny manodidina. Saika nivarotra tany an-tsena avokoa mantsy ireto farany noho izao fahatongavan’ny  fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao ka efa niitatra be ny afo vao nihazakaza nanavotra ny fananany avokoa ireto farany. Indrisy anefa fa  ny teny an-koditra sisa no tavela, antony nahatonga ireo traboina 500 isa natory teny amoron-dalana avokoa  afaka omaly alina. Tonga nijery azy ireo sy nanatitra fanampiana toy ny vilany, savony, sotro sy lovia, lamba firakotra… ho azy ireo omaly ny Ministry ny ati-tany  sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ( BNGRC). Ankoatra ireo fanampiana ireo izay niampy voamaina sy legioma ary fotsim-bary dia fantatra fa hanome trano lay ho an’ireo traboina ihany koa ny ministera hatorian’izy ireo miampy lafika  hahafahana miaro amin’ny hamandoana sy ny fofon’afo izay marihina fa tena miakatra be tokoa. Tsiahivina moa fa olona roa no naratra tamin’ity haintrano ity raha lela-vola 1.400.000 Ar no may tsy azo hampiasaina intsony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT