Sosialy

Hain-trano tetsy Anosibe Tokantrano folo tsy mbola mahita aleha


  • Talata 03 Septambra 2019

Tokantrano folo tamin’ireo 52 kilan’ny afo tetsy Anosibe Andrefana I no mbola mijanona ao an-toerana hatramin’ny faran’ny herinandro teo noho ny tsy fahitan’izy ireo izay tokony halehany.

 

Ny ambiny kosa dia efa saika lasa nody any amin’ny havany avokoa noho ny tsy fahazakany ny fofona sy aretina mety ho azo eny an-toerana. Mipetraka amin’ireo trano lay miisa roa fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny mponina sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary izy ireo ary arahin’ny fokontany maso. Tsy azo hatao intsony mantsy hoy Atoa Teloson, sefom-pokontany ao an-toerana ny manorina trano hazo ao amin’ity faritra ity. Miantso ny fitondram-panjakana hanampy ireo mponina may trano mba hanangana trano biriky ny tenany. Fantatra koa fa ho avy tsy ho ela ireo malala-tanana hanampy ireto mponina may trano ireto. Raha tsiahivina, ny alin’ny 28 aogositra lasa teo no nisehoan’ny loza.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT