Sosialy

Hain-trano teny Manarintsoa Afovoany Lasantsy no nampirehetana ny afo…


  • Alarobia 04 Jolay 2018

Mety ho resaka kakay no antony nahatonga ny firehetana trano maro be tetsy Manarintsoa Afovoany omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora satria nisy nandraraka lasantsy ny varavaran’ny tokantrano iray dia iny no niteraka firehetana tsy voafehy, hoy ny mponina sasany.

 Trano miisa 31 no may ka ny 5 tamin’ireo dia trano biriky, ary trano hazo ny ambiny. Miisa 180 ireo tsy manan-kialofana, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana sy fisorohana ny loza na BNGRC. 2 no naratra, tsy nisy ny aina nafoy Omaly maraina ihany, dia tonga nankahery an’ireo olona  traboina tratran’io hain-trano io ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notarihan’ny solontenan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nahitana ny kolonely Emilien Ramboasalana  sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Nanolotra vary 10 gony, savony 5 baoritra, menaka 4 baoritra ary sûr-eau 2 baoritra ny CUA. Nandefa dokotera ihany koa, mba hitsabo ireo izay tsy salama rehetra. Horaisina an-tanana maimaimpoana  ny fanamboarana ireo taratasy ara-panjakana izay may rehetra teny an-toerana,   toy ny kopia, kara-panondro, bokim-piankohonana,… araky ny toromariky ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Tsy iandrasana ela fa ho tonga hanadio ny toerana may koa ny mpamonjy voina sy mpanadio eo anivon’ny CUA, ka horarahana fanafody ny toerana mialoha ny hanarenan’ireo mponina ny tranony may indray. Nankahery ireo traboina sy nitondra fanampiana ihany koa io omaly io ihany ny solontenan’ny minisiteran’ny atitany sy ny minisiteran’ny serasera. Efa napetraka amina tranolay kosa ireo traboina.

 

Toky R sy J Mirija.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT