Sosialy

Hain-trano teny Anosibe Efatra namoy ny ainy, roa naratra mafy


  • Zoma 09 Novambra 2018

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny fokontany Anosibe andrefana I Boriborintany fahefatra ny alin’ny alarobia 7 novambra 2018 lasa teo , tokony ho tamin’ny 11 sy sasany alina.

 

 

Olona efatra no namoy ny ainy  ka ny roa renim-pianakaviana iray vao 20 taona mahery, niaraka tamin’ny zanany vao efa-taona monja. Ny roa kosa lehilahy avokoa izay voalaza fa mamo ny iray ka tsy tafafoha tao anatin’ny torimasony. Roa kosa no naratra mafy ka ny iray vehivavy izay nipitsoka ny lohaliny vokatry ny fitsambikinany avy eny am-baravarankely. Ny iray indray raim-pianakaviana izay may tanteraka ny ilan-tanany. Samy traboina monina amin’ireo trano hazo 60 isa lasibatra sy trano biriky miisa valo  notetezin’ny afo avokoa  izy ireo. Mahatratra 160 isa ireo fianakaviana  traboina.   Manoloana io tranga io  dia nandray ny andraikiny avy hatrany  ny teo anivon’ny Boriborintany fahefatra ao anatin’ny  kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), notarihan’ny lefitra voalohany sy faharoan’ny Ben’ny tanana  ary ireo  ekipa amin’ny  Sampandraharaha misahana ny fiahiana ara-tsosialin’ny kaominina.  Sady  nitsapa alahelo ireo niharam-boina izy ireo omaly no nitondra izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina ihany koa. Anisan’ny nanao ezaka goavana tsy nampiitatra ny afo tamin’ny tsenan’Anosibe ny sampana  mpamonjy voina etsy Tsaralalana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT