Sosialy

Hain-trano teny Ankazomanga Atsimo Omby 4 kila forehitra, olona an-jatony tsy manan-kialofana


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Nisehoana hain-trano goavana teny Ankazomanga Atsimo, omaly zoma atoandro tokony ho tamin’ny 12 ora.

 Nipoitra avy tamina tokantrano iray ny afo, niitatra tamina toerana fiompiana biby fiompy toy ny akoho amam-borona, kisoa, omby… Omby efatra no kila forehitra vokatr’izany fa tsy tafatsangana teo amin’ny toerany raha fianakaviana an-jatony no tsy manan-kialofana. Hatramin’ny fotoana nanoratana, tsy voafehy ny afo na dia tonga ara-potoana aza ny mpamonjy voina. Noho ny fitsokan’ny rivotra mafy no voalaza fa  antony. Somary manamorona tanimbary rahateo ity tanàna kely lasibatra ity ka tena nanahirana ny fifehezana ny afo.  Nanampy trotraka ireo trano hazo maromaro nifanakaiky ka nampahazo vahana ny afo.  Nomarihin’ireo mponina teny an-toerana  fa izay azon’ny tanan’izy ireo noraisina sisa no navotany toy ny akoho, ny vorona izay miantoka ny fiveloman’izy ireo amin’ny andavanandro. Niteraka fitohanana goavana hatreny 67 ha ity hain-trano niseho tao  Ankazomanga omaly antoandro ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT