Sosialy

Hain-trano teny Anjanahary 1 maty, 114 tsy manan-kialofana


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Ny harivan`ny sabotsy 01 febroary lasa teo, tamin`ny telo ora sy sasany no nitrangan`ny hain-trano tao Anjanahary.

Niainga avy tao amin`ireo trano hazo ny afo ary niampita tamin`ireo trano biriky nanodidina. Vokany, olona iray no namoy ny ainy, trano manodidina ny 25 tafo  no may kilan’ny afo ary olona 114 kosa no tsy manan-kialofana rava fananana. Nisy fahatarana moa ny fahatongavan`ny sampana mpamonjy voina noho ny fahataran`ny antso voarain`izy ireo ka ireo mponina teo amin`ny manodidina no nifandrimbona tamin`ny famonoana ny afo mandra-pahatonga azy ireo. Somary nananosarotra ihany koa ny famonoana ny afo raha ny nambaran`ireo mponina satria lavitry ny toerana nitrangan'ny loza ny arabe izay nisy ny rano ary saika nahitana fahasimbana avokoa ny fitaovana nampiasain`ireo mpamonjy voina. Hatreto dia tsy fantatra ny nahatonga ny firehetana ary misokatra ny fanadihadiana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT