Sosialy

Hain-trano teny Andravoahangy Tsena Nanampy ireo traboina ny CUA


  • Talata 16 Jolay 2019

Trano 20 tafo no may kila forehitra ny sabotsy 13 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora 30 minitra hariva, teny amin’ny fokontany Andravoahangy tsena Boriborintany faha-3, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

Tao anatin’izany dia mponina miisa 77 no tsy manan-kialofana, izay ahitana mpianatra sy vehivavy bevohoka. Tsy nijery fotsiny ny fahavoazana nahazo ny mponina ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa avy hatrany dia naniraka ireo mpiara-miasa aminy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana hijery akaiky ireo traboina sy hitondra fanampiana ho azy ireo ka ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier Randrianarisoa no nisolotena azy, izay notronin’ny delegen’ny boriborintany faha-3 Hery Razafitsalama, ny tale kabinetran’ny CUA Ranjakasoa Mparany Gabhy. Nisy ny fanomezana kojakojan-dakozia ireo traboina mba hanamaivana ny fahasahiranana mahazo azy ireo. Teo ihany koa ny fitsinjovana ireo ankizy mpianatra izay miisa 17 ka notolorana fitaovam-pianarana izy ireo. Ireo vehivavy bevohoka miisa 3 kosa dia hisy ny mpitsabo hijery manokana azy ireo. Ankoatra izay, hisy ny fanampian’ny CUA ireo traboina amin’ny fanomezana azy ireo fitaovana hanaovana fanadiovana sy fidiovana ao an-toerana. Nanafatra mafy an’ireo traboina ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier mba ho mailo hatrany amin’ny resaka afo satria zavatra kely foana dia mety hampidi-doza.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT