Sosialy

Hain-trano teny Ambodin’Isotry Nanampy ireo traboina ny CUA


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Trano 100 tafo no may kila vokatry ny hain-trano nitranga omaly teny Ambodin’Isotry.

 

 

 

Voalaza fa niainga tao amina trano hazo iray ny afo ary niparitaka teo amin’ny trano manodidina. Trano biriky ny dimy tamin’ireo ary sarotra nofehezina ny afo noho ny halaviran’ny fantson-drano izay mankao an-toerana. Zara raha nisy entana kely mba voatsirambin’ny tanan’ireo mponina. Olona 500 no fantatra fa traboina ary efa nandray andraikitra avy hatrany nametraka azy ireo ao amin’ny EPP Ambodin’Isotry ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA). Tsy vitan’izay fa tonga nankahery ireo mponina niharam-boina teny an-toerana ihany koa ny iraka manokan’ny CUA izay notarihan’Atoa Olivier Randrianarisoa, lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna. Nisy fitondrana fanampiana ho an’ireo zavatra tena maika ilain’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro tahaka ny vary, menaka, koveta sy kojakoja maro samihafa. Nankasitraka izany ireo mponina ary nisaotra ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy sady naniry ny ahitana vahaolana maharitra momba azy ireo.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT