Sosialy

Hain-trano tao Tanambao V Misy olana ny fanisana ireo traboina


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Efa manomboka misy mitaraina fa na traboina noho ilay hain-trano goavana tao Tanambao V aza izy ireo dia tsy nahazo fanampiana. Eo koa anefa ireo traboina miteny fa misy tsy may trano akory ireo mahazo fanampiana.

 

 

 

Raha ny zava-misy dia lasa olana ny isan’izy ireo sy ny trano may satria raha ny fokontany nanao ny fanisana dia mahita fa miisa 1.237 izy ireo tamin’ny trano may miisa 296. Raha nanao ny fanisany kosa anefa ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ny ara-tsosialy ary ny vehivavy tamin’ny alalan’ny talem-paritra sy ny Croix rouge ary ny BNGRC Toamasina dia nahita fa miisa 802 ireo traboina tamin’ny trano may miisa 220. Noho io olana io sy hialana amin’ny fitarainana manomboka mahazo vahana eo amin’ny fokonolona sy ny vahoaka niharan’ny hain-trano, dia niroso tamin’ny fanisana vaovao ny solontenan’ny traboina sy ny solontenam-pokonolona ary ny komitim-pokontany ny sabotsy misandratr’andro teo, izay tsy azo ny tarehimarika farany hitan’izy ireo hatramin’ny fotoana namoahana ny vaovao. An-kilany, manao tohivakana ny fanampiana azon’ireo traboina ireto avy amin’ny vondron’ny olon-tsotra sy ny fikambanana samy hafa mpanao asa soa ary ireo antoko politika mitsinjo ny mpiara-belona aminy. Anisan’ny nanolotra fanampiana ny zoma maraina ihany raha ny alakamisy tolakandro no niseho ny hain-trano ny Tiako I Madagasikara sy ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana Toamasina tamin’ny fanolorana vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tena nilaina maika. Teo koa ny Hery Vaovaon’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny minisitra Horace Gatien izay nanolotra vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany koa. Ny Arema izay nanolotra fanitso sy vary ihany koa, sy ny fikambanana Diaraika tarihan’Atoa Rafidimanana Narson nanolotra fanitso sy fonosan-damba, ary ny fikambanana Ino Maresaka à Tamatave izay nitondra ireo voatsirambin’ny olona te-hanampy ny havany traboina nangon’ity fikambanana tanora navondron’ny tambajotra “facebook” ity. Ny sabotsy teo vao tonga nanatitra ny fanampiany ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ny ara-tsosialy ary ny vehivavy niaraka tamin’ny BNGRC ary ny Croix rouge, izay nitondra vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ary trano lay ho an’ireo mbola manana olana amin’ny fanarenana ny tranony ihany koa. Ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny mponina no nanatitra izany raha lasa tany DIANA Rtoa minisitra Naharimamy Irma Lucien.

 

 

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT