Sosialy

HAFARI sy ny Globo vision developpement Hanampy ireo tsy an’asa manerana ny Nosy


  • Zoma 28 Febroary 2020

Roso hatrany ny fikambanana Hafari Malagasy sy ny Société Globo vision developpement hivondronan’ireo mpikambana amin’ny ady hatao amin’ny tsy fananan’asa manerana ny Nosy.

 

 

 

Taorian’ny fampianarana informatika maimaimpoana ireo zanaky ny sahirana dia fantatra izao fa hampifandray ireo mpampiasa mitady mpiasa sy ireo mpiasa mitady asa ihany koa izy ireo.  Manomboka amin’ny asa fiambenana izany na lahy na vavy, mandalo amin’ny mpamily sy ny mpanampy azy, ny vehivavy mpiasa an-trano ary ny mpanao zaridaina. Afaka manatona azy ireo avokoa ny olon-drehetra mitady asa feno 18 taona, tsy misy aretina mitaiza, tsara fitondran-tena; matotra ary vonona hanaja ny rafi-pifehezana rehetra. Mialohan’izany anefa dia omen’ny HAFARI fiofanana avokoa ireo mpiasa mitady asa rehetra mba hifanaraka amin’ny filan’ny mpampianatra ny vokatra entin’izy ireo. Maimaimpoana ihany koa ny fampiofanana izay manana tanjona hampihena tsikelikely ireo olona tsy an’asa manerana ny Nosy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT