Sosialy

HAFARI Malagasy Toerana telo no efa azony hanorenana trano mora


  • Alatsinainy 08 Janoary 2018

Roso ny dian’ny fikambanana HAFARI Malagasy entina hanatsarana ny sosialim-bahoaka eto amintsika. Ankoatra ny fanatsarana hatrany ilay tetikasa fifindra-monina eny Soaniedanana PK 67 izay hanomboka ny 15 janoary ho avy izao ary efa misy olona manodidina ny 500 isa miasa, dia asa goavana hotanterahin’ny fikambanana ny fanomezana trano mora ho an’ireo fianakaviana tsy manana eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Eny Ambohitrimanjaka no hisantarana azy izay misy tany  mirefy 20 ha mahazaka fianakaviana manodidina ny 80 isa, ananan’ny fikambanana titra ara-dalàna 45.759 Manambina CCCI. Toraka izany koa ny etsy Namontana izay tsy lavitry ny arabe. Handeha amin’ny ara-dalàna ny fikambanana HAFARI Malagasy amin’ny fanatanterahana ny asa miaraka amin’ny banky sy ireo orinasa maro. Anisan’ireny ny fanaovana araka ny tokony ho izy ny taratasin’ny tany eny anivon’ny sampandraharaha misahana izany, ny fangatahana “permis de construire” eny anivon’ny kaominina arahin’ny fanentanana ny mponina mba handoa hetra ara-dalàna ho fampandrosoana ny faritra misy azy. Nomarihin’ny filoha nasionalin’ny fikambanana Rafanomezantsoa Jean Nirina fa ny fikambanana tarihiny dia orinasa ara-dalàna manana NIF sy  statistique ary manana ny loharanom-bolany mazava toy ny latsakemboka aloan’ny mpikambana izay mahabe resaka ny olona. Misy karazany roa ny trano azo omena ny mpanjifa dia ny manana fidiram-bola mazava sy ara-dalàna. Eny am-piandohana dia azo atao ny miainga amina efitrano iray misy lakozia, izay azo hitarina tsara, miankina amin’ny filàn’ny tsirairay. Hanarina ireo rava sy potika nandritra ny fotoana nidirany teny am-ponja ihany koa ny tenany, toy ny fijerena manokana ireo ankizy mirenireny eny an-dalambe…

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT