Sosialy

HAFARI Malagasy sy ny FMOS Namoaka mpianatra 300 mianadahy


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Namoakatra mpianatra mahay sy mahafolaka ny teny Anglisy 300 mianadahy indray ny FMOS miahy ireo ankizy sahirana etsy Anosizato sy ny fikambanana HAFARI Malagasy.

Nisy tamin’izy ireo no nianatra nandritra ny enim-bolana raha nisy koa ireo mihoatra miomana ny ho lasa mpampianatra sy mpitondra mpizahantany  vahiny eto amintsika. Saika zanak’olona avy eny ambany tanana avokoa izy 300 ireo raha araka ny fantatra  ka ny tanjon’ny fikambanana dia ny mba hahafahana manampy sy manohana azy ireo mba hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ireo vondrona miaramila avy any Arivonimamo izay nofanina hahay teny Anglisy ihany koa. Ankoatra ity tetikasa fanohanana ny zanaky ny sahirana ara-pivelomana ity moa dia fantatra ihany koa fa hiroso amin’ilay tetikasa fanampiana ireo tanora vao afa-panadinana Bakalôrea tsy afaka manohy ny fianarany intsony  ny fikambanana. Hofaninana amin’ilay lalam-piofanana agro business izy ireo ka hisy ny oniversité izay hiara-hiasa akaiky amin’ny fikambanana hanofana sy hampianatra ireo mpianatra ho lasa injeniera. Ankoatra izay anefa dia hampihatra avy hatrany ny fianarany ireo mpianatra ka ho an’ny fiompiana sy ny fambolena ohatra dia eny Soaniedanana, misy ny tetikasa exode urbain no hanatanterahan’izy ireo izany. Ny fikambanana HAFARI ihany no hitady ny orinasa handray ny vokatra aorian’izany raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina ka sady ho voky fahalalana ireo mpianatra no hahazo asa ihany koa. Mikasika ny fifidianana manokana moa dia nanamafy ny filohan’ny HAFARI Malagasy fa tsy mbola manana kandida tohanana izy ireo hatreto satria tsy nisy nanaiky ny fametrahana ilay rafitra fokonolona hahafahana mitsinjara ny fahefana eo am-pelatanana ny tsirairay. Na ho ela na ho haingana anefa hoy izy dia tsy maintsy tafapetraka eto Madagasikara izany satria izay ihany no vahaolana hahafahana mampandroso ny firenena.

 Pati

Legende : Vonona ny hanohana hatrany ny tanora Malagasy ny fikambanana HAFARI Malagasy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT