Sosialy

HAFARI Malagasy Miantso ny fanjakana mba hamatsy vola ny tetikasany


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Fikambanana iray misehatra amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka ny fikambanana Hafari Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina.

 

 

 

Ankoatra ilay tetikasa fifindra-monina entiny hanomezana trano sahaza ny Malagasy dia mirona bebe kokoa amin’ny fampianarana informatika sy ny teny vahiny ireo tanora sahirana ihany koa ny fikambanana ankehitriny.  Olona 12 mianaka no mipetraka amina trano 12 m2 ankoatra ireo tanora afaka baka nefa  mirenireny fotsiny tsy misy hatao. Anisan’ny mamaly ireo filàna rehetra ireo ny tetikasa izay hiantsorohan’ny fikambanana Hafari Malagasy. Mangataka amin’ny  fanjakana izy ireo hamatsiana vola ny tetikasany. Tsy  famatsiam-bola ho an’olona tsirairay no hangatahina, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa famatsiam-bola mitambatra ho an’ny fikambanana toy ilay tetikasa Fihariana izay  tanterahin’ny fanjakana ankehitriny. Efa hananan’ny Hafari ny tany ka raha  misy manolo-tanana dia anisan’ny tetikasa môdely indrindra eto Madagasikara. Ankoatra ny fanjakana  moa dia mangataka fanampiana avy amin’ireo malalatanana ihany koa ny fikambanana mba hifanohana amin’izy ireo. Anisan’ireny ny fampidirana rano sy jiro eny  amin’ireo toerana hananganana tanàna vaovao toy ny eny amin’ny PK 67 any amin’ny lalam-pirenena fahefatra,  ny fanamboarana tsena sy hôpitaly ary ny fametrahana ny paositry ny zandarimariam-pirenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT