Sosialy

HAFARI Malagasy Miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Ny 80 %-n’ireo tanora Malagasy vao afa-panadinana Bakalôrea ankehitriny no tsy afaka manohy ny fianarany eny amin’ny anjerimanontolo intsony noho ny fahasahiranana.

 

 

 

Ao amin’ny kilasy famaranana sisa no fara vitan’ireo ray aman-dreny, indrindra moa raha mikasa hampiana-janaka eny amin’ny oniversite tsy miankina. Manoloana io tranga io dia saika mirenireny tsy misy hatao avokoa ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy nefa manana baka.  Ny famoronana asa ho azy  ireny ihany anefa no hahafahana miady amin’ny fahantrana ho an’ny HAFARI Malagasy ka nosokafan-dRafanomezantsoa Jean Nirina  ny fampianarana informatika maimaimpoana. Mpianatra miisa 230 no navoakany tamim-pomba ofisialy omaly teny Anosizato ka ny 37 tamin’ireo no afa-panadinana soa aman-tsara raha mbola afaka manohy kosa ny ambiny hahazoany ilay tena mari-pahaizana takian’ny asa ankehitriny. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa politikan’ny olom-pirenena no tanterahiny raha manao izao asa fanasoavana ny mpiara-belona izao fa tsy politikan’ny mpanao politika izay variana mitady seza fotsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT