Sosialy

HAFARI Malagasy Hizara tany eny Antanandrano


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Hiverina amin’ny heriny tanteraka ny Fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina taorian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19

 

 

 

. Hanomboka amin’ny fizarana tany ho an’ireo mpikambana etsy Antanindrano izany, arahin’ny fanoratana ara-panjakana. Tany 16.000 m² no hozaraina amin’izany ka hahazo 100 m² avy ny mpikambana tsirairay. Hitohy amin’ny fambolen-kazo goavambe eny amin’ny PK 67 lalam-pirenena fahaefatra eny Soaniedanana misy ilay tetikasa fifindra-monina hiarahana amin’ny HAFARI ny hetsika. Tanjona ao anatin’izany ny mba hahafahan’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana ho fitsinjovana ny taranaka faramandimby. Ho an’ny fikambanana manokana kosa dia anisan’ny tanjony ny hahatonga azy ho fiaraha-monim-pirenena matanjaka tsy hiaina ao anaty antoko politika. Vonona kosa anefa izy ireo ny hiady sy handresy ny fahantrana ka anisan’izany ny fanomezan-tanana ny fanjakana amin’ny alalan’ny politika ankapobeny izay hapetrak’izy ireo. Ankoatra ny fambolen-kazo dia anisan’ny asa mbola miandry ny fikambanana ao Soaniedanana ihany koa ny fampidirana jiro sy rano ary ny fananganana orinasa hanampiana ireo tanora tsy an’asa marobe eto amintsika. Toraka izany koa ny fananganana fiangonana Fjkm hanatsarana ny fiainam-panahin’ny mponina. Tsy hampihemotra ny fanenjehana sy ny faminganana ary ny fialonana anay izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Vao mainka ho hery hanosika azy hiady amin’ny fahantrana aza izany hoy hatrany ity filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT