Sosialy

HAFARI Malagasy Hitory ilay filoham-pokontany nanasoketa azy ho nangala-tsonia


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Niezaka nangina ihany aho saingy mahatsiaro ho afa-baraka, hoy ny filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly raha namaly ilay resaka tany ao Andranomena Analavory ana fikambanana iray nolazaina fa nahodinkodin’ny fikambanana tarihiny sy narahina famotehana sekoly…

 

 

 

 

Tsy manana tany ao Andranomena Analavory ny fikambanana Hafari raha ny nambarany ary tsy hangataka tany any an-toerana velively.  Efa enin-taona izay no tsy nanitsahan’ny tongotray tany amin’io toerana io ka sao dia matotoa no hitan’ireo olona tany an-toerana na nanonofy zareo. Faharoa manarak’izay hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina dia tsy misy vadina jeneraly ao anatin’ny fikambanana fa mpampianatra ny sekretera jeneralinay, izay laharana faharoa. Miantso ny fanjakana mba hanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ny Hafari Malagasy. Nomarihiny fa  tetika entina handemena ny fanjakana sy hanakorontanana saim-bahoaka hanakanana ilay tetikasa fifindra-monina kasainy tanterahina  amin’ny faritra maro izao fanalam-baraka azy izao. Mikasika ilay fangalarana sonia izay nambarana filoham-pokontany iray fa nataony moa dia nanamafy ny tenany fa hitory io olona io ary mangataka ny porofo mazava raha tena nisy marina izany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT