Sosialy

HAFARI Malagasy Hatomboka amin’izay ny fanamboarana ilay “cité” 160 isa


  • Zoma 28 Desambra 2018

Hibanjina ny ho aviny amin’izay ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin’ny filohany nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina manomboka amin’io taona vaovao 2019 ho avy io. Somary nisedra olana kely mantsy ny fikambanana tamin’ity taona 2018 ity noho ny

 

 

fanilihana trosa nateraky  ny fidiran’ny filohany tany am-ponja amam-bolana maro. Anisan’ny hisantaran’izy ireo ny asa amin’izany ny fampidirina jiro sy rano fisotro madio ao amin’ny tanànan’i Soaniedanana misy ilay tetikasa fifindra-monina any amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny.  Hotanterahina amin’io taona vaovao io ihany koa ny fanamboarana ilay cité 160 isa eny Antanandrano sy ny fizarana tany ho an’ireo olona mbola tsy manana izany. Tsy ho latsa-danja amin’ireo ny fijerena ny biraon’ny fikambanana etsy Anosizato izay fantatra fa hakarina asiana rihana. Hojerena manokana ihany koa raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina ireo zokiolona ahian’izy ireo mivantana  miampy ireo ankizy mpirenireny tsy manam-piahy eny an-dalam-be. Na izany aza anefa  ny asa sosialy miandry azy ireo dia hiezaka ny fikambanana hanome lanja hatrany ny asa fiarovana ny zon’olombelona niantsorohany hatramin’izay ka anisan’ireny ny fijerena ny olan’ny mpivady, ny fanoroana hevitra ireo Renim-pianakaviana hiharan’ny tsindry hazolena, ny resaka ady tany….

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT