Sosialy

HAFARI Malagasy Hanolo-tanana ny mpitondra amin’ny asa fampandrosoana


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Hanolo-tanana ny mpitondra ankehitriny amin’ireo asa fampandrosoana maro isan-tsokajiny hotontosainy ny fikambanana HAFARI Malagasy.

 

 

 

Maro ireo olana nosedrain’ny fikambanana, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina filoha nasionaliny hatramin’izay saingy  ankehitriny vao tafiditra ao anatin’ny politika ankapobeny ny fanjakana avokoa ireo fitakiana sy fitarainana  nataony. Mety aminin’izy ireo ny fisian’ny birao fitarainana eny Ambohitsorohitra, hoy izy hamaliana ny hetahetan’ireo manana olana. Toraka izany koa ny fanorenana trano, ny famoronana asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ilay tetikasa Fihariana, ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Mila miroso mafy isika ka ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka,  arahina firaisankina ihany no lalana hahafahana manatratra ny tanjona. Tokony hatsahatra amin’izay ny hambom-po politika, hoy hatrany ity filoha  nasionalin’ny HAFARI ity. Toraka izany koa ny fifanenjehana fa ny fanavotana ny mpiray tanindrazana sy ny fampandrosoana ny firenena no tokony himasoana. Tsiahivina moa fa efa mirona tanteraka amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora ny HAFARI ankehitriny ka lohalaharana amin’izany ireo zanaky ny sahirana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT