Sosialy

HAFARI Malagasy Hanao toeram-piompiana goavambe ao Soaniedanana


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Tongotra mby an-dakana ny fampiroboroboana ny asa fihariana ho an’ireo mpikambana ao aminy ho an’ny fikambanana Hafari Malagasy, tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina.

 

 

 Ao anatin’ilay tetikasa famoronana tanàna vaovao ao  Soaniedanana PK 67 no hanatanterahany izany ka anisan’ny efa imasoan’ireo mpikambana ankehitriny ny fanaovana tranom-biby kely be dia be hanjary ho toerana goavam-be hamokatra. Ny fiompiana bitro sy ny akoho amam-borona no hisantaran’izy ireo izany amin’izao fiandohany izao, asa azo havadika ho vola avy hatrany. Manana tombony manokana ny Hafari Malagasy ao anatin’ity tetikasa Fihariana ity, raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina hatrany. Efa hananan’izy ireo mantsy ny tany sy ny traikefa. Miantso ny fitondram-panjakana mba hanohana sy hanampy ity tetikasa Fihariana izy ireo, hahafahan’ny malagasy mpiray tanindrazana mivelona araka ny tokony ho izy sy miady amin’ny fahantrana. Tsiahivina moa fa tonga nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa ny hafari malagasy nandritra ilay hetsika Fiermada farany teo.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT