Hampiroborobo ny fitsaboana nentim-paharazana amin’ny alalan’ny fampiasana ny zava-maniry ny Fikambanana Hafari Malagasy miaraka amin’ilay mpitsabo nentim-paharazana ( Tradi-praticien) Rakotondranaivo Jean Pierre.
Raha araka ny fantatra dia nolovain’ity farany tamin’ny dadabeny tany amin’ny 70 taona lasa io fitsaboana hataony io ary mety sy azo hatao eto Madagasikara. 11 taona teo ho eo izy izay no nanomboka nanatsara sy nanova ny asany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo milina manara-penitra toy ny lambika fandroahana sy ny zavatra takian’ny fivoaran’ny toetr’andro ankehitriny ny tenany hanodinana ireo zava-maniry. Efa vita andrana tany amin’ny 70 taona lasa avokoa araka izany ireo ravinkazo hampiasainy ary nety teto Madagasikara izay fehezin’ny lalana 2011/002 tamin’ny 15 jolay taona 2011 ary nahazo fampiharana tamin’ny 22 Aogositra taona 2011 ihany. Tamin’ny andron’ny tetezamita no nivoahan’io lalana io araka ny artikla laharana faha-100 mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Hanofana olona 200 eo ho eo araka izany Rakotondranaivo Jean Pierre. Isaky ny foiben’ny hafari manerana ny Nosy araka izany dia hisy an’izay avokoa. Na izany aza dia tsy mivarotra fanafody izy ireo fa manamboatra hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Maro no efa sitrana tamin’izany ary nanaovana fanandramana toy ny diabeta sy ny homamiadana. Na ireo dokotera manam-pahaizana be sy ambony aza dia fantatra fa efa nandefa marary hotsaboina tao amin’izy ireo. Tsiahivina moa fa Rakotondranaivo Jean Pierre dia voasoratra ao amin’ny laharana 2878 tao amin’ny ANTM ary nahazo chevallier de l’ordre national tamin’ny 15 novambra taona 2015. Mpikambana tao amin’ny astrama izy taloha saingy noho ny disadisa nisy dia efa ao amin’ny Fitsaboana Traditionnel Malagasy ankehitriny miaraka amin’ny Hafari Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.