Sosialy

HAFARI Malagasy Hampianatra infôrmatika ireo zanaky ny sahirana


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Hampianatra infôrmatika sy teny vahiny maimaimpoana toy ny anglisy sy “mandarin” ho an’ireo zanaky ny sahirana ara-pivelomana eny amin’ny faritra iva ny fikambanana HAFARI Malagasy.

Omaly no nanokafana tamim-pomba ofisialy ny  ivontoerana mifandraika amin’izany, eny Anosizato Atsinanana, ahitana solosaina vaovao miisa folo avy amina fikambanana mpanamboatra solosaina any Frantsa. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy fa ny hanampiana ireo ankizy tsy afaka mianatra intsony, noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny, no tena  antony nananganana azy ity. Lohalaharana ireo monina eny amin’ny faritra iva, ka hahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany, aorian’ny fahavitan’ny fianarany. Betsaka mantsy amin’izao ireo ankizy zary lasa manaotao foana, hoy hatrany ity filohan’ny HAFARI ity, noho ny fahasahiranana, indrindra fa ny tovovavy kely. Omaly ihany dia efa nisokatra ny fisoratana anarana ary hanomboka tsy ho ela ny fampianarana. Ora roa isan’andro no mianatra ny mpianatra, ka mpampianatra efa matihanina avokoa no hanofana azy ireo. Nohamafisin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy izay mahazo seza ihany no afaka mandray andraikitra ary tsy natao hanambatambazana olona na hividianana olona ny asa sosialy tahaka izao fa entina hanampiana ny mpiara-belona.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT