Hafanan’ny tany hiakatra 1,5% hatramin’ny 2100

Ny 60,9% amin’ny zaza Malagasy no hizaka ny ngidiny…


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Protecting Children's Rights in a Changing Climateé » nataon’ny Save the Children sy ny Vrije Universiteit Brussel (VUB), fa manodidina ny ampahatelon’ny ankizy 5 taona ankehitriny no hisedra hafanana tafahoatra sy tsy mbola nisy toa azy mandritra ny androm-piainany raha tonga amin’ny fiakaran’ny maripana 1,5°C alohan’ny 2100 ny planeta tany. Raha eto Madagasikara, 60,9 %-n’ireo zaza teraka tamin’ny taona 2020 no hiharan’ny onjan’ny hafanana tsy mbola nisy toa azy mandritra ny androm-piainany raha manafana an’io 1,5°C io ny tany. Raha mitombo ho 2,7°C izany hafanana izany, dia 99,6 % ny ankizy no ho voakasika. Ary raha 3,5°C no fiakaran’ny maripana, dia ho 99,9 % ny ankizy. Izany no fanazavan’i Tatiana Dasy, Solontenan’ny Save the Children eto Madagasikara, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omamu. Anisan’ireo vahaolana natolotra mba hampihenana haingana ny fiakaran’ny hafanana eto an-tany ny: fampitomboan’ny famatsiam-bola hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, fametrahana paikady ifotony mifantoka amin’ny ankizy, fanomezana sehatra ho an’ny ankizy handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny tontolo iainana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT