Mbola anaty fahasahiranana tanteraka I Madagasikara amin’izao fotoana izao ary hita taratra izany eny amin’ireny faritra maro samihafa ireny.
Tsy tambo isaina ireo tsy ampy sakafo, maloto sy rovitra fitafiana ary tsy nianatra sy tsy ampy fialam-boly. Antony nihetsehan’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Groupe Axian nanampy ireo olonA sahirana sy marefo eto Antananarivo ireo taorian’ny antso vonjy nataon’ny Fondation Telma tamin’ny faran’ny taona 2019. Anisan’ny nahazo tombotsoa tamin’izany ny fikambanana Aina Enfance et Avenir miaraka amin’ireo fianakaviana mirenireny tsy manan-kialofana. Tamin’izany no nikarakarana fandraisana fanampiana (collecte de dons) nataon’ny Fondation Telma napetraka teo anivon’ny mpiara-miasa anatin’ny Groupe Axian. Maro ny fanampiana efa voaray ka anisan’izany ireo fitaovana fidiovana, fitafiana, boky, kilalao ary ireo entana tsy simba nefa ilaina an-davanandro. Efa nahatratra 10 baoritra ireo fanampiana voaangona ireo ary misy tamin’izany no efa nozaraina. Ny fikambanana SAKAFO POUR TOUS ohatra dia efa niara-nisalahy tamin’ny Groupe Axian nizara ny fanomezana tamin’ireo olona mipetraka eny an-dalana miisa 108 teny Antanimena, Behoririka ary Analakely. Taorian’izay dia anjaran’ireo tao amin’ny Village Aina Antanandrano sy ny Fikambanana Aina Enfance et Avenir no nandray ireo fanampiana ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.