Sosialy

Gripa sy kohaka Fihinanana voankazo sy legioma no fanafodiny


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Mahazo vahana indray ny gripa sy ny kohoka tato ho ato. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina dokotera tsy miankina iray dia miseho amin’ny endrika toy ny tazo izy io ka manakotsako ny vanin-taona, marary be ny loha, mikohoka ary mety handoha mihitsy.

 Noho ny fiovaovan’ny toetr’andro no nambarany fa antony mahatonga izany, indrindra tato anatin’ny tapa-bolana izao. Tena nangatsiaka mantsy tamin’ny tapa-bolana raha somary nafana indray izany tamin’ny herinandro teo ka betsaka ireo tsy mahazaka. Olona roa amin’ny folo isan’andro raha kely no tratra io aretina io ka ny ankizy sy ireo efa nahazoazo taona no tena lasibatra. Vahaolana aroson’ity dokotera iray ity araka izany ny tokony hanaovana akanjo mifanaraka amin’ny toetr’andro hatrany. Tsy tokony hosodokan’ny hafanana amin’ny atoandro hoy izy ny olona fa tokony hiomana amin’ny akanjo mafana amin’ny hariva foana. Toraka izany koa ny fisotroana rano 1 litatra isan’andro ho an’ny olon-dehibe ankoatra ny fihinanana voankazo telo karazana isan’andro raha kely miampy legioma.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT