Sosialy

Grevy etsy, fitakiana eroa Mbola tany misy Fanjakana ihany ve eto ?


  • Zoma 18 Martsa 2022

Fitakiana, grevy, savorovoro, menomenona ! Ireo hatrany no isan’ny manamarika ny fiainana andavanandro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Tototra ny Fanjakana, tsy mahavaha olana, fa mitarazoka tanteraka, tsy arakaraka ny anarana hoe: “TGV” fa tena lasa sokatra fiasa. Tsy mbola mivaha mandrak’ity ny androany ny olan’ireo mpandraharaha niantsoroka ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny làlana sy ireo tetikasa manara-penitra. Ny Filoham-pirenena sy ny Minisitry ny asa vaventy izao no nanao vava be, fa manana hatrany amin’ny 400 miliara Ar ny FR (Fonds Routier), ka tsy izay 33 miliara Ar na mihoatra an’izany no tsy ho voalohan’ny fanjakana. Herintaona, roa taona, telo taona,… anefa tsy hita ihany izay fandoavana volan’olona, fa arirarira lava amin’ny hoe: mbola hanao fanadihadiana. Tsy sahy mitsotra ve ny Fanjakana fa nisy olana ny fanovana rafitra eny am-pandehanana, ka nahatofoka ny mpamatsy vola satria ny FER (Fond d’Entretien Routier) navadika an’ilay FR etsy ambony? Ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena tofoka, ny fitantanam-bolan’ny FR ahiana ho nisy fanodinkodinana volabe an-jatony miliara maromaro, ary efa nisy fampahalalam-baovao nanatsikafona an’io. Nisy fotoana aza namoahana didy ny 27 oktobra 2021 nampiato ireo làlana vatsiany vola. Sanatria ritra ny tao amin’ny FER na FR dia nivadika tany amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) indray no nandavaka ara-bola? Lafin-javatra hafa, mifoha ny fitakiana samihafa ary miteraka sakoroka mihitsy, toy ny resaka vatsim-pianaran’ny mpianatra. Herintaona fandaminan-tsaina hatrany, ela loatra ny fandraisan’andraikitra, dia ireny miafara amin’ny grevy ireny. Mbola tafiditry ny kilalao maloto ara-politika ihany koa anefa satria misy minisitra am-perin’asa voatontonona ho tao ambadiky ny famporisihana mba handotoana minisitra hafa. Io fa mitaky ny karamany ihany koa ireo niandraikitra ny fanadinam-panjakana. Tapa-bolana lasa izay no efa nampita vaovao ny tany Mahajanga fa hatramin’izao tsy mbola azo ny “vacation” ho an’ireo nitsara fanadinam-panjakana. Io fa mijoro ihany koa ireo nikarakara ny taratasim-panadinana teto Antananarivo fa vola hatrany amin’ny 188 tapitrisa Ar ny azy ireo tsy voaloa,… Matetika isehoana korontana ihany koa ny resaka fizarana fanampiana avy amin’ny Fanjakana raha tsy hilaza afatsy ny teny Ampefiloha, Andravoahangy Atsinanana,… satria maro no tsy afa-po, betsaka no tsy mahazo. Miharihary ny fahasahiranan’ny vahoaka, tofoka ny olona,… kanefa ilay Fanjakana tsy mahavaha olana, fa miezaka miafina sy manafina izany amin’ny kisehoseho ivelany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT